FANEKEM-PINOANA ARAKA NY SORATRA MASINA – LAH-3 RAKITRA SY ADIDY SAMIHAFA 13/04 Rakitra Voalohany Adidy, adidy ivelany, Vokatra Samihafa 255.410 366.400 500.000 FITAMBARANA 1.121.810 Rakitra faharoa: 248.900 Ariary Rakitra Tsangambato: 271.950 Ariary MOFON’AINA “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Mat.4:4) Daty 20 APRILY 2014 – 20 MEY 2014 Teny hovakìna 20/04 21/04 22/04 23/04 24/04 25/04 26/04 27/04 28/04 29/04 30/04 01/05 02/05 03/05 04/05 05/05 06/05 07/05 08/05 09/05 10/05 11/05 12/05 13/05 14/05 15/05 16/05 17/05 18/05 19/05 20/05 Hos.13: 14-15; Lo.24: 1-12; 1 Kor.15: 12-23 Jona 2: 1-11 Hos.13: 14-15 2 Kor.1: 8-11 Lio.24: 1-12 Jao.8: 48-59 Kol.2: 9-15 Isa.25: 6-8; Lio.7: 11-17; Apo.21: 1-8 Jao.5: 24-29 Isa.25: 6-8 Apo.21: 1-8 2 Tim.3: 1-9 Mar.12: 28-34 Lio.19: 1-10 Deo.8: 7-20; Lio.6: 32-36; 1 Jao.3: 13-17 Fil.3: 1-11 Lio.6: 32-36 Rom.13: 8-14 I Jao.3: 13-17 Efe.4: 31-32 Lev.25: 35-38 Eks.1: 8-21; Mar.10: 35-45; Jak.5: 1-6 Jao.15: 11-16 Eks.1: 8-21 Tit.1: 5-9 Jak.5: 1-6 Lio.16: 18-31 Gen.13: 5-9 Hag.1: 1-15; Mat.18: 21-35; Heb. 13: 1-6 I Kor.13: 4-13 Mat.18: 21-35 Mino an’Andriamanitra Tsitoha aho, Izay Mpanao ny lanitra sy ny tany. Andriamanitra dia Fanahy, Andriamanitra dia fitiavana, Andriamanitra dia manjaka hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Andriamanitra dia nampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Mino an’i Jesoa Kristy, Zananilahy Tokana, Tompontsika aho. Tonga Izy hitady sy hamonjy ny very. Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Izy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Mino ny Fanahy Masina aho. Izy no manambara amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray. Ny fandresena izay enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Tompo ô, ampitomboy ny finoanay. Amena ANTOKO MPIHIRA ORIMBATO FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA TRANOVATO AMBATONAKANGA ~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~ “MAMONJY AMIN’NY FAHAFATESANA NY TOMPO” TAKELAKA ORIMBATO Lah. 678 Ifarimbonan’ny Loholona sy ny Diakona, ny Fikambanana sy ny Komity, ny Sampana sy ny Rantsana ANTSA PASKA 2014 “ … tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho “ (Hosea 13 : 4d) ALAHADY 20 APRILY 2014 4 ora hariva eto amin’ny Fiangonana “Vakionareo ny Soratra Masina ...” TENY FIAINANA Joba 5 : 20 «Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy» Fandraharahana : 22 222 75 // Mpitandrina : 22 240 50 – 032 07 611 15 // 033 02 240 50 www.fjkmtranovatoambatonakanga.mg Isan’ny natonta 1. 500 ex Hobiantsika sy asandratsika ny anaran’ny Tompo, mpandresy ny fahafatesana! Arahabaina koa anefa isika izay mino fa voavonjy, tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana. Mifalia sy miravoravoa raha efa iainanao izany. Raha toa kosa mbola mangeja sy mamatotra anao ny fahafatesana, araka izay endrika rehetra mety hisehoan’izany, dia meteza ianao anio ho vonjen’ny Tompo. Ny Mpitandrina: Razafiniarivo Fidison Maxime L I T O R J I A ANDRON’NY PASKA ALAHADY, faha-20 APRILY 2014 FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO (1 Kor. 15,20ss; Lio. 24,7; Hos. 13,14b) Mpitarika: “Efa Iarahana natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry. Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.” : “Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao?” Q HIRA : 146 and. 1, 3 - VAVAKA FIDERANA - FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA (Lio. 24,5d; Jao. 5,25) : Hoy ny anjelin’ny Tompo: «Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo.” Besinimaro : “Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak' Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. Amena.” Mpitarika Q HIRA : 140 and. 2 FIAIKEN-KELOKA SY FIFONANA (vavaka ataon’ny mpitarika) Q HIRA : 142 and. 4 TENY SOA MAHAFALY FAMELAN-KELOKA (Hos. 13,14a; 1 Kor. 5,7; 15,57) Hoy ny Tompo: “Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy. Fa voavono Kristy Paska ho antsika. Voavela ny helokareo noho ny anarany masina. Mifalia sy miravoravoa ka mankalazà ny Tompo. Mandehana ka aza manota intsony.” Besinimaro: “ Isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Mpitarika : Jesoa Kristy Tompontsika. Amena.” Q HIRA : 141 and. 1, 4 FANEKEMPINOANA ARAKA NY SORATRA MASINA- lah.3 - (Fiatoana kely: Feon- javamaneno / Hiran’ny Mpihira) FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA RAKITRA: I (Fiangonana) – II (Radio Fahazavana (Fid. I) – Radio Protestanta (Fid. II)) - III (AFF): HIRA: Antema 4 VAVAKA FANOLORANA Q HIRA : 138 and. 1 VAVAKA HO AMIN’NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA NY TENIN’ANDRIAMANITRA FAMAKINA NY SORATRA MASINA : Hos. 13, 14-15 ; Lio. 24, 1-12 ; 1 Kor. 15, 12-23 Q HIRA : 133 and. 5, 6 TORITENY (Faranana amin’ny hiran’ny Mpihira) - VAVAKA FANGATAHANA BATISA / FANOKANANA HO DIAKONA (Fid. II) : Q HIRA : 128 and. 1, 3 Q TSODRANO HIRA : HF 19 and. 2 Q HIRA : HF 26 and. 1, 3 FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO VAVAKA FANOMBOHANA – HIRA: 1 and. 1 - TENY FANORENANA VAVAKA FAHATSIAROVANA – HIRA : 253 and. 3 (feony = 176) VAVAKA FANGATAHANA NY FANAHY MASINA - FAMAKIANA NY MOFO - VAVAKA FANETREN-TENA FIZARANA NY MOFO SY NY KAPOAKA: HIRA: HF 5 FANDRAISANA NY FANASANA RAKITRA SY FANANGONANA NY KAPOAKA – HIRA : 487 HAFATRA SY TSODRANO – HIRA : 255 and. 1 DORKASY VONINKAZOM-PIANGONANA : Mbola manentana antsika rehetra maniry handray anjara amin’ny voninkazo ato am-piangonana fa mbola betsaka ireo daty azo isafidianana miandry antsika. Koa aoka hisoratra anarana ao amin’ny Sekretera Mpandraharaha izay rehetra vonona amin’izany. Maneho fisaorana mialoha sahady amin’ny fiaraha-miasa. SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA Komitin’ny fankalazana ny faha-15 3 taona SLK SPIA Ao anatin’ny fankalazana an’Andri amanitra noho ny faha-15 taona nijoroan’ny SLK SPIA, dia misy ireto hetsika ireto ho entina manamarika izany: fanokafana sy fankalazana: 01 Mey 2014: rodorodopifaliana (hazakazaka: fihaingana AnosiavaratraIvotoerana 8 ora maraina – 8 Mey: Fanokafana sy fankalazana ny faha-15 taona: FJKM Analamahitsy amin’ny 9 ora sy sasany maraina, faranana amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo – 15 Mey: Komity Lehibe: FJKM Anjanahary Maritiora amin’ny 9 ora sy sasany maraina – 29 Mey: Fanokafana hetsika ara-panatanjahantena – 31 Mey: Ivon’ny Fankalazana, FJKM Ambohinaorina Sabotsy Namehana, amin’ny 9 ora sy sasany, hisy ny Sakafom-pifaliana – 20-21 Jona: Tsenabe 15 taona: Ivotoerana – 12 Jolay: Fihaonambe SLDOR, Antsahafilo, 12-13-14 Septambra: Tafika Masina iombonana, FJKM Miadana faritra Ambohimanga- 13 Desambra : Famaranana 15 taona: FJKM Andranomalaza Ivato, amin’ny 9 ora sy sasany FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA SYNODAMPARITANY IARIVO AVARADRANO ( SPIA 19) “ Fa ny fanantenana no namonjena ny mino “ (Romana 8 : 24a) FIVORIAMBE VOALOHANY Asabotsy 3 Mey 2014, amin’ny 9ora sy sasany eto amin’ny FJKM TRANOVATO AMBATONKANGA. Anasana antsika vahoakan’Andriamanitra rehetra am-pitiavana mba hiara-hiombona amin’ny fanompoampivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra. Hisy fiarahana mandray ny Fanasan’ny Tompo. Faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana . Miantso antsika Mpianakavin’ny finoana rehetra tsy ankanavaka hiara-misalahy amin’ny fandavorariana ny fanomanana rehetra ka hanatevina ny Komity mpikarakara araka ireto VAOMIERA ireto: Filaminana, Fampitaovana, Fanentanana, Fandraisan’olona, Sakafo. Miandry anao ny Tompo amin’ny fanatanterahana izany andraikitra masina sy sarobidy izany. Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany! Tapakila sakafo : 500 ar Diakona tompon’anjara amin’ny volana APRILY / Faritra FAHAROA Filoha : Atoa ANNETTE Alain Tompon’anjara Alahady : 20/04: PASKA – FIDIRANA IN-DROA -7 ora sy 10 ora (+batisa, fanokanana Diakona) 27/04: DORKASY AMBATONAKANGA Anjara voninkazo : 20/04 (Paska): Rtoa RAZAFINDRAFITO Nirina 27/04: Rtoa RAMANANTSOA Nirina Fanatazana ny Rakitra III : : 20/04 (fid.I): STK- (fid.II): S.A.); 27/04: Katekomena- 04/05: fid.I: Komity “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena -2- Tsangambato- fid.II: SAFIF- 11/05: V.Vola- 18/05: SVM- 25/05: V. Fppvhana -3-
© Copyright 2025 Paperzz